Election présidentielle


Manandafy Rakotonirina: “Tsy misy ANC na FLN na Antoko kominista eto”


Nandritra ny zaikam-paritry ny Mfm eto Analamanga tamin’ny sabotsy teo no nanazavan’ny Filoha Nasiônalin’ny Mfm, Manandafy Rakotonirina fa « ny zava-nisy rehetra ka nifanolanana, na nipoiran’ny ahiahy tamin’ny fotoam-pifidianana 2001 dia mbola mitoetra avokoa amin’izao fotoana ».

Ho an’ity Filoha Nasiônalin’ny Mfm ity aza dia « mbola manantombo kokoa ny disadisa amin’izao fotoana satria mbola manampy trotraka an’izany olana tamin’ny 2001 sy ny ahiahy tamin’izany fotoana koa ny fisian’ny gadra politika sy ireo voatery manao sesitany ny tenany any ampita, ny olana momba ny famotsoran-keloka sy ny sisa ». Raha nanambara ny vahaolana mahomby indrindra i Manandafy Rakotonirina amin’izany olana sy disadisa ary ahiahy isan-karazany izany dia nilaza fa « tsy mba toy ny any Afrika atsimo ka hoe misy an’i Nelson Mandela izay to-teny amin’ny vahoaka na ny Antoko ANC izay tompon-teny farany amin’ny trangan-javatra eo amin’ny fiainan’ny firenena eto Madagasikara ». « Tsy mba misy toa ny Antokom-panafaham-pirenena aljerianina (FLN) koa eto ka hoe io no mandidy manapaka dia eken’ny rehetra », hoy ihany izy. « Mainka moa fa ny Antoko kaominista izay tsy misy mpanohitra fa toavin-teny avy hatrany ». Ny dikan’izany rehetra izany, hoy i Manandafy Rakotonirina, dia samy tsy misy afaka hirehareha na hizahozaho ho iza eto fa teren’ny tombontsoa ambonin’ny firenena ho tsy maintsy mifanatona sy mifampidinika raha mbola samy mihevitra fa misy vahaolana tokony hokatsahina hamahana ny fahasahiranan’ny firenena. Izay no mahatonga ny Mfm, hoy ihany i Manandafy Rakotonirina, hierom-pitia ka manandratra hatrany ny mahatsara ny fifanatonan’ny ankolafin-kery isan-tokony sy hiaraha-mihevitra ny tokony hivoahana. Raha tsy izay mantsy no irosoana, hoy izy, dia tsy maintsy ho ratsy lavitra noho ny trangan-javatra tamin’ny 2002 no hiseho eto, ka ny miaramila misatro-mangan’ny Firenena Mikambana no ho avy handamina antsika eto sy hikarakara ny fifidianana, nefa isika Malagasy dia tokony hahavaha izany olana izany. Izay koa no fototry ny fehin-kevitry ny Mfm Analamanga tamin’ny sabotsy, izay nanipihan-dry zareo fa « tsy tomombana ary tsy feno ny fepetra takian’ny fifidianana tena ho ao anatin’ny filaminaa sy ny mangarahara, ary ny demôkrasia ka tokony hahemotra io fifidianana amin’ny faha-3 Desambra io ».

La rédaction 29-09-2006

page précédente vers le haut de la page page suivante


Nombre de visites : online casinos

AccueilForumsRevues de presseGaleries-photosCongrès