Tambatra sy ny 3 desambra


"Tsy nisy fifidianana tsy nahalany ahy", hoy i Pety
Kandida faha enina nahavita ny adidiny teny amin'ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana indray izany i Pety Rakotoniaina, izay narotsaky ny fikambanana Tambatra. Tamin'izany no nilazany fa ny olona no hareny, ary azo atao tsara ny mampandroso sy manao dingana lehibe ho an'ny firenena rehefa hain'ny mpitondra ny mitarika ny vahoaka ao aminy. “Tsy fitiavam-boninahitra fa fitiavan-tanindrazana. Izay no nanosika ahy hiditra amin'ny sehatra tahaka izao, ary hametraka tantara tsara ho an'ny mpiray tanindrazana, mba ho lova soa ho tsaroan'ny taranaka malagasy any aoriana.”

“Ny fampandrosoana ny faripiainan'ny Malagasy no tanjona”, hoy ny kandida Pety Rakotoniaina, ary mbola naveriny fa tsy nisy fifidianana nilatsahany ka tsy nahalany azy, eny fa na hatrany an-dakilasy aza. Notsipihany mazava fa tsy manana olana amin'ny MFM ny tenany, indrindra fa ingahy Manandafy Rakotonirina, ary ray aman-dreniny io, saingy tsy maintsy hirosoana ny fehin-kevitry ny Tambatra nandrotsaka azy. Niaraka taminy tamin'io omaly tetsy amin'ny HCC io, ireo mpikambana maro ao anatin'ny birao politikan'ny MFM, ary anisan'izany ramatoa vadin'itompokolahy Germain Rakotonirainy. Ny tale ho amin'ny fampielezan-kevitra kosa dia i Seramila Beza.

13/10/06 - Naivo kely

page précédente vers le haut de la page page suivante


Nombre de visites : online casinos

AccueilForumsRevues de presseGaleries-photosCongrès