KONGRESY NASIONALY BIRAO FOIBE


Fotokevitra ankampobeny hitondrana ny Fanjakana ho fanarenam-pirenena
Fianarantsoa, faha 23, 24, 25 Septambra 2006.
TENY FAMPIDIRANA

Ny tanjona lehibe tiana ho tratrarina dia ny hialan’ny Firenena sy ny Vahoaka malagasy ao anatin’izao fahantrana mangitsokitsoka izao. Anisan’ny tsy maintsy atao ny hanatratrarana eo amin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana ny hisongadinan’ny fitomboan’ny harin-karena faobe, isam-paritra sy ny fihatsaran’ny vola miditra isan-tokantrano, na isam-batan’olona mihitsy aza, mba hahafahan’ny olom-pirenena miatrika ireo filàna samihafa, sy mamita ny adidiny eo amin’ny ankohonany, eo amin’ny fiaraha-monina ary eo amin’ny Firenena.

Hahatongavana amin’izany, dia ireto misy fotokevitra ankapobeny tsy maintsy arahina amin’ny fitondrana ny Tany sy ny Fanjakana sy ny sehatra hatao laharam-pahamehana :

Fotokevitra ankapobeny : Ireo sehatra lahara-pahamehana :
I-IREO SEHATRA LAHARAM-PAHAMEHANA


I.1- Fandraisana anjaran’ny olom-pirenena


I.1.1- Ny andraikitry ny Mpitondra fanjakana isan’ambaratonga

Tsy maintsy hain’ny Mpitondra Fanjakana ny mampandray anjara ny olom-pirenena tsy ankanavaka, ny fikambanana samihafa, izany hoe ny Herivelona, satria ny olona no harena voalohany sy fitaovam-pamokarana, mba hitondrany ny fahaizany, ny fitiavany ary ny fahavononany, araky ny sehatra misy azy avy, ho fampandrosoana ny Firenena.

Hamoraina ny fomba hahazoan’ny tsirairay mandray anjara. Noho izany dia hialana ny toetran’ny Mpitondra izay lasa mpifaninana amin’ny olona entina ka zary sakana lehibe amin’ny fandraisan’ny tsirairay anjara.

Ialana koa ny fanilikiliana izay tsy mitovy firehana politika amin’ny mpitondra.

Fampandraisa anjara bebe kokoa ny Faritra tsirairay amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy.

I.1.2- Ny adidy aman’andraikitry ny vahoaka Malagasy

I.1.2.1- Vahoaka Malagasy saro-piaro amin’ny zo aman’andraikitry ny isambatan’olona sy ny zo politika

- Arindran’ny lalàna ny fiarovana ny zon’ny tsirairay sy ny fahalalahana fototra : Dia samy iantohana ho an’ny rehetra manori-ponenana eto amin’ny tanin’ny repoblika :

I.1.2.2- Tsy handefarana manana ny rariny amin’ny zo sy adidy momba ny toe-karena, sosialy ary koltoraly :



I.1.2.3- Vahoaka Malagasy manam-po hanara-maso ny olomboafidiny sy ny mpitondra isan’ambaratonga amin’ny : . Fampiharana sy fanajana ny lalana velona sy manankery . Fanaovana lalàna manamora ny fihariana sy ny fiveloman’ny mponina . Fampiasana ny volam-panjakana hisondrotana sy handrosoan’ny Malagasy.

vers le haut de la page

I.2- Fanabeazana ho olom-pirenena vanona (civisme et citoyenneté)
I.3- Fametrahana ny rafi-pitondrana mifototra amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy


I.4- Fampiroborobona sy fahalalahan’ny sehatra tsy miankina ary fametrahana rafi-pifaninanana tsy mitongilana eo amin’ny seha-pihariana.


Mahatsapa ny Tambatra fa manana anjara toerana lehibe miantoka ny fanitsiana eo amin’ny fiharihan-karena sy fampandrosoana ity firenena iaraha-manana ity ny sehatra tsy miankina : ireo mpandraharaha vahiny sy ireo tera-tany Malagasy. Marihana fa raisina sy ekena ho isan’ny mpandraharaha tera-tany Malagasy tsy miankina ireo Grika, Sinoa ary Karana, indrindra ireo efa zanatany.

I.5- Ny tsy fiverenana intsony amin’ny fahadisoana efa nisy.




vers le haut de la page

II- IREO SEHATRA LAHARAM-PAHAMEHANA
II.1- Fampandrosoana ny eny ambanivohitra.


Ho jerena manokana :

II.2- Fampianarana sy fanabeazana ary ny fahasalamana


II.2.1- Ny fampianarana sy ny fanabeazana



Fehiny : Na inona na inona dingana ijanonany, ny olona avy nandia fianarana dia sady hahay taratasy no hahay hanangan-javatra hivelomany.

II.2.1- Ny fahasalamana

Tsy eken’ny saina mihitsy amin’izao taon-jato faha 21 izao no mahita sy maheno ny feon’ny Malagasy maro amin’ny tsy fazahoana mitsabo tena noho ny fahefa-mividy tsy mitsaha-mitotongana. Manamarika ny fikambanana Tambatra sy ny kandidà fa azo tanterahana ny manatsara ny fitsaboana eto amin’ny firenena rehefa tafapetraka ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana amin’ny endrika vaovao indrindra ny tsy maintsy hampijoroana ny haute cours de justice. Tompon’andraikitra mahafehy tanàna tsy hitsabaka anaty tairim-bolam-panjakana natokana ny sehatra mahakasika ny fitsaboana no ilaintsika antoka handresena nyu gaboraraka mampahory any vahoaka mila fitsaboana ny fitantanana marina sy madio. Koa ireto no ho laharam-pahamehana amin’izany :

vers le haut de la page
II.3- Fahalalahan’ny finoana


Sarobidy amin’ny Malagasy tsirairay ny finoana. Arovan’ny lalampanorenan’ny firenena Malagasy ny finoana maharesy lahatra ny tsirairay. Mampisavoritaka, miteraka adilahy eo amin’ny sehatry ny finoana maro ny fitsabatsabahan’ny mpitondra fanjakana ambony sy ny fiandaniana amin’ny finoana iray. Averina arindra araka ny lalam-panorenana mahafanjakana laika ny repoblika Malagasy ny fifampitondrana sy ny fifandraisan’ny fanjakana sy ireo tompon’andraikitra maro mitaiza sy manentana ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny finoana. Teny miera sy fifampidinihana hatrany aryy ezahana tsy hiangatra ary tsy hanilika ny sasany no handrindrana ny mpitondra fanjakana sy ireo raiamandreny mpitarika karazam-pinoana eto amin’ny firenena.

II.4- Momba ny asa


II.4.1- Famoronana asa mahavelona ho an’ny tanora



II.4.2- Asam-panjakana ankapobeny.


II.5- Fiarovana ny tontolo iainana




vers le haut de la page
II.6- Fanomezan-danja ny otrikarena (fizahantany, harena ankibon’ny tany sy andranomasina…)


II.6.1- Ny fizahan-tany



II.6.2- Harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina



II.7- Fampitomboana ny foto-drafitrasa


Fampitomboana ny fotodrafitr’asa na an-tanan-dehibe na ambanivohitra Ohatra :



II.8- Fanomezan-danja ny fikarohana


Homena lanja sy hotohanana amin’ny teti-bola matanjaka sy fampitaovana ny fikarohana. Hiantohana ny mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony ary hamporisihana ny fisokafana sy ny fivelarana ho eo amin’ny seham-pihariana maro hiteraka fivoarana sy fandrosoana azo tsapaintanana. Hentanina sy hanaovana antso avo ireo notahian-janahary manam-pahaizana amam-pahalalana ary ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina hifanome tanana mba azahoantsika mamadika ny vokatry ny fikarohana hiteraka fihariana mampidi-bola eto an-toerana sy ny any ivelany indrindra ho famoronan’asa ho an’ireo zandry zanantsika tonga taona sy ny tsy an’asa ary very asa.

TENY FAMARANANA
Ireo voalaza eo ambony ireo ny fotokevitra lehibe sy ny laharam-pahamehana ary ny teti-pihariana noheverin’ny fikambanana Tambatra ho enti-manarina an’i Madagasikara ao anatin’izao fahantrana izao.

Hiaraha-midinika manokana amin’ireo mpandraharaha vahiny sy tera-tany ary ny mpamatsy vola voakasik’izany ireto sehatra manaraka ireto :

Tompokovavy sy tompokolahy, ireo no vokatry ny fiarahamidiniky ny Mpikambana Tambatra tonga nandray anjara tamin’ny kongresy nasionaly notontosaina teto Fianarantsoa nandritra ny telo andro. Miisa 3500 mianadahy mianaka izy ireo avy amin’ny faritra 22 sy distrika 98 avy eto amin’ny firenena Malagasy. Nandray anjara koa ny solotenan’ny Tambatra avy any dilam-bato (Eropa). Koa antsoina ampitiavana sy ampanajana ny vato nasondrotry ny tany, ny manam-pahaizana, ny mpandraharaha sy sokajin’olona maro anabavy sy rahalahy ary ny vahoaka mpifidy resy lahatra amin’ny tokony hanitsiana ny tsy fahombiazana, mampahantra ny firenena ka tokony hatrehantsika mianakavy. Tsy mihidy varavarana sanatria ny fikambanana Tambatra ka raisina an-tanandroa ny tolo-kevitra hanatevina ity drafitr’asa na praograman’asa atolotra anareo ity. Misaotra Tompokovavy, mankasitraka Tompokolahy. Ny Kongresy Nasionalin’ny Tambatra Ny Birao Nasionaly

Fianarantsoa, faha 23, 24, 25 Septambra 2006.
Ny Filoha Nasionaly
Pety RAKOTONIAINA

T O V A N A
A. MIALOHAN’NY FIFIDIANANA

Mialohan’ny fifidianana dia handray andraikitra ny Fikambanana Tambatra sy ny Kandidà-ny hiantso ireo Kandidà hafa rehetra : ny Raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana sy ny herivelona samihafa misy eto amin’ny Firenena hifampidinika ambony latabatra, hamolavola fivoriambe, handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana mba hahatongavana amin’ny fifidianana milamina

B. MOMBA NY FIFIDIANANA

Zava-dehibe ny hampiasana vatom-pifidianana tokana ho an’ny mpifaninana rehetra ary ny fisian’ny komity mahaleo tena hanara-maso ny fifidianana mba hisorohana ny hala-bato sy hampilamina ny fifidianana.

D. ANTSO ATAO AMIN’NY FOLOALINDAHY

Zava-doza amin’ny ho avin’ny Firaisankinan’ny Foloalindahy ny fiverenan’ny ady vokatry ny fifidianana tsy milamina sahala amin’ny taona 2002. Koa aleo misoroka ny tsy hisian’izany satria faharavan’ny Firenentsika izany. Koa miangavy anareo hanohana ny hevitra rehetra hahatongavana amin’ny fifidianana milamina.


vers le haut de la page


Nombre de visites : online casinos

AccueilForumsRevues de presseGaleries-photosCongrès