AccueilForumsRevues de presseGaleries-photosCongrès


 FAQFAQ   RechercheRecherche   MembresMembres   GroupesGroupes   InscriptionInscription 
 ProfilProfil   Se connecter pour vérifier ses messages privésSe connecter pour vérifier ses messages privés   ConnexionConnexion 

Fanjakana mpitsikilo

 
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Forums Tambatra -> Ka hoy ny GAZETY
Voir le sujet précédent :: Voir le sujet suivant  
Auteur Message
tambatra
Administrateur


Inscrit le : 22 Oct 2006
Messages: 21
Localisation : Madagascar - France

Message Posté le : Mer Déc 13, 2006 12:18 pm    Sujet du message: Fanjakana mpitsikilo Répondre en citant

Miverina ny didy jadona

Omaly no tratry fisavana ihany koa ny kandida Jeneraly Razakarimanana Ferdinand teny amin'ny trano fonenany Ambohimangakely, izay nahitana mpitandro ny filaminana enina no niditra ny tokan-tranony, ary maro hafa kosa no tany ivelan'ny trano.
Fanjakan'i Hitler no mitranga eto amin'izao fotoana satria kaporaly no mibaiko ny tanàna ankehitriny, izay azo adika fa ny kandida Ravalomanana io. Tsy nahitana na inona na inona anefa tao amin'ity tokantranon'ity jeneraly Kandida ity, ary midika ho endrika fampihorohoroana ny mpifanandrina amin'ny kandidam-panjakana izao.
« Mampatsiahy tamin'ny andron'ny NAZI ny ataon'ny fanjakana ankehitriny » hoy ihany ny Jeneraly Razakarimanana, kanefa tsy hampihemotra anay amin'ny tolona ho fanoherana ny tsy rariny mitranga ankehitriny izany. Na dia teo aza anefa ireo fihetsiky ny fanjakana ankehitriny manao ramatahora ny mpifaninana aminy ireo, dia nanjaka kosa ny fanajana nataon'ireo mpitandro ny filaminanana nanao ny asa nampanaovina azy, saingy ny endrik’izao eo amin'ny fiaraha-monina no ahoana ? Nihoron-koditra ny manodidina raha nahita ireto mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana tao amn'ity jeneraly noheveriny ho ray aman-dreny teo an-tanàna, kanefa izao ny zava-mitranga. Nomarihan'ny fokonolona teny an-toerana io omaly hariva io, fa raha sanatria manao tsinon-tsinona ity ray aman-dreny eo antanana eo ireto iraka avy any ivelany, dia tsy hanaiky izy ireo na misy ra mandriaka aza.
Soa aloha fa tao anatin'ny filaminana no nisian'ireo trangan-javatra omaly ireo, nohalavirin'ny maro ny fifandonana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Farany dia nohamafisin'ity kandida iray ity fa fanjakana mpitsikilo no eto (Etat Policier), ary miverina indray ny didy jadona, saingy asakasak'ireo hanaiky lembenenana hoy ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand raha nitafa fohy tamin'ny mpanao gazety izy io omaly io.

Madagascar Tribune
13/12/06 - Naivo kely
Revenir en haut
Voir le profil de l'utilisateur Envoyer un message privé Envoyer l'e-mail
Montrer les messages depuis :   
Poster un nouveau sujet   Répondre au sujet    Forums Tambatra -> Ka hoy ny GAZETY Les heures sont au format GMT
Page 1 sur 1

 
Aller vers:  
Vous ne pouvez pas poster de nouveaux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum
Vous ne pouvez pas éditer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas supprimer vos messages dans ce forum
Vous ne pouvez pas répondre aux sondages de ce forum



AccueilForumsRevues de presseGaleries-photosCongrès