Rapaoly
Inscrit le : 23 Oct 2006 Messages: 20
|
Posté le : Jeu Déc 07, 2006 7:26 pm Sujet du message: Fisamborana an' PETY |
|
|
FIANARANTSOA. Nifanjevo ny iray tanàna omaly , fa ho samborina ny “maire”. Voadidina mpitandro filaminana Tsianolondroa sy ny trano fonenany……
Nitsoaka i Pety raha hosamborina
--------------------------------------------------------------------------------
Mbola nanao akanjo mandry sy kapakapa ingahy Pety Rakotoniaina, Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa sady kandidà nilatsaka ho fidina ho filoham-pirenena tamin’ny fifidianana farany teo, no nitsoaka omaly raha hosamborin’ny mpitandro filaminana.
Aina R.
Vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina tany, dia efa feno miaramila mitana basy nanodidina ny tranony teny Ampopoka, saika hisambotra azy saingy tsy nahatratra azy tao. Nandeha indray anefa ny feo avy eo fa miasa any amin’ny biraony eny Tsianolondroa ingahy Ben’ny tanàna. Ny tolak’andro, tamin’ny 4 ora sy sasany, dia feno miaramila mirongo fiadiana indray nanodidina ny lapan’ny tanàna. Nandeha ny fisavana ny birao sy ny manodidina rehetra saingy tsy hita mihitsy izay misy an’ingahy Pety. Fitaonana ny olona tsy hifidy, fanaovana sakana, ireo no mety ho anton’izao fisamborana ny filohan’ny Tambatr’i Madagasikara izao.
Nifanjevo
Nasaina nody avokoa ny mpianatra tamin’ny sekoly manodidina ny biraon’ny kaominina, nasaina nangoron’entana ny mpivarotra rehetra. Nisavoritaka ny iray tanàna raha naheno ny poa-basy: ny sasany maika hangorona ny varotra, ny sasany hijery ny zanany kely nirava avy any am-pianarana, ny hafa mitsoaka hanavotr’aina, maro koa anefa ireo handeha hijery ny zava-miseho. Tao anatin’ny fotoana fohy dia fifanjevoana tsy nifankahitana no nitranga teny Tsianolondroa ka hatrany Anjomà.
Hatramin’izao ora hanoratanay izao dia mbola tsy hita izay toerana misy an’Atoa Pety Rakotoniaina. Fa araka ny vaovao voaray avy any an-drenivohitr’i Betsileo dia efa misy mpiara-miasa aminy iray voasambotra |
|